Fampivoarana ny andriambavilanitra : vehivavy 460 niofana momba ny fikarakarana sakafo

Vehivavy mahaleo tena sy antoky ny fampandrosoana no tanjon’ny fampiofanana tan­terahina eny Iavoloha. Mahay mahandro karazan-tsakafo izy ireo manomboka eto ary hanokatra ny tsenany manokana rehefa nahazo fiofanana.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana sahady ny andron’ny vehivavy ny hetsika ara-piofanana andraisan’ireo andriambavilanitra anjara amin’ny foibem-piofanana maro eto Atananarivo.
Ny faran’ny herinandro teo, vehivavy 460 avy amin’ ny faritra 23 no nandray anjara tamin’ny fiofanana fikarakarana sakafo teny Iavoloha. Nitsidika izany ny filohan’ny fikambanana Fitia, vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy niaraka tamin’ireo mi­ni­sitra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta.
Nahafahan’ireo vehivavy nahafantatra ny karazana fo­mba fahandro miainga amin’ ny akora fototra misy any amin’ny faritra niaviany avy ny fiofanana. Tsy voatery mitady zavatra lafo sy sarotra fa miainga amin’ny vokatry ny tany misy any an-toerana.
Toraka izany ny karazana fitaovana ampiasaina izay nampahafantarina azy ireo ny fanamorana azy sy ny ahitana izany eny an-tsena mba tsy ho sakana amin’ny firosoana amin’ny ezaka efa natomboka.
Nitohy omaly ny fiofanana izay nianarana indray ny fa­ha­i­za-mitantana sy ny teknika fananganana tsena manokana hahafahan’izy ireo misehatra amin’ny asa avy hatrany.
Kendrena ao anatin’ny fiofanana ny hahafahan’ireo ve­hi­vavy mizaka tena ara-pivelomana ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny ankohonany sy ny fiarahamonina misy azy.
Ankoatra izany, nanafatrafatra ireo renim-pianakaviana ny vadin’ny filoham-pirenena ny amin’ny tokony hampianarana ny zanaka any an-tsekoly. Efa maro ny ezaka amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy ny tohana isan-karazany hatao hampazoto ny mpianatra sy hanamaivana ny vesatry ny ray aman-dreny.

Tatiana A

Partager sur: