Mahanoro: jiro manazava ny elakela-trano miisa 110

Mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny jiro manazava ny arabe sy ny
elakelantrano. Tafiditra ao anatin’ny velirano 2, hisian’ny « Hazavana ho an’ny rehetra » ihany koa.

Mitohy ny tetikasa «Ha­zavao ny elakela-trano». Natom­boky ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo teny Andohanimandroseza, boriborintany faharoa eto an-dRenivohitra, ny herinandro lasa teo ny fizarana jiro «Cobra», manazava ny arabe sy ny elakela-trano. Noto­hizany tany an-tampon-tanànan’i Mahanoro, izany ny zoma 3 marsa teo, ho an’ny faritra Atsinanana.
Miisa 110 ny jiro «cobra» napetraka tao amin’ny fokontany efatra any Mahanoro. Natao isaky ny 50 metatra ny elanelana amin’ny lalana mitotaly 5 km, manaraka ny arabe sy ny elakela-trano. Nilaza ny minisitra Andria­manampisoa Solo, fa hamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny fokontany sy ny lalankely, sady hampisitrahana hazavana ho an’ny rehetra, araka ny velirano 2 napetraky ny filohan’ny Re­poblika. Ho afaka mivezivezy mifety amin’ny harivariva ihany koa ny mponina ».

Ho hentitra manaloana ny mpangalatra
Nanotrona ny minisitra Andriamanampisoa Solo ta­min’ity fotoana ity ny tom­pon’andraitry ny vondrom- bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony notarihin’ny go­vernoram-paritra Atsinanana.
Faly ny mponina tamin’izao hetsika izao. Nitsotra ny ray aman-dreny lehibe iray, fa tsy mba nisy mihitsy ny jiro manazava ny elakela-trano sy ny lalam-pasika hatramin’izay. Nanentana ny mpiara-monina kosa ny lehilahy iray, ho hentitra ny fanaraha-maso ireo minia mangalatra ny fotodrafitrasa ho an’ny daholobe toy izao.
Ho entina hahatsiarovana ny andron’ny vehivavy, ny 8 marsa ho avy izao, natolotry ny minisitra ny fikambanam-behivavy ny fanomezana, lambahoany miisa 20, tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: