Nikarakara hetsika “Forum des métiers” ny fikambanana Daholo, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny Lycée privée Fanavotana Antsalovana 67ha. Tanjona ny hampiofana ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Misedra olana ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana asa manerana ny Nosy. Sakana ny tsy fananan’ireo ankizy vao nahavita fianarana fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny asa. “Misy ihany koa ny ankizy tsy afaka nanohy fianarana satria tsy nanana fahafahana ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Ony, mpiofana andiany fahavalo eo anivon’ny fikambanana.
Niavaka ny hetsika satria nahafahan’ireo tanora nifanerasera tamin’ny tale mpitantana orinasa maro tonga teny an-toerana. Anisan’izany ny Brinks, Tropicall, Interex, Maurilait, Mvola, KFC, Farmshop ary Eclosia. Nizara traikefa sy nanome torolalana mikasika ny fahombiazana tamin’ny tanora izy ireo. Mba ahafahan’ny tanora mijery sahady ny asa tiany atao. Nahatratra 120 ny tanora tonga nanatrika izany. Nahitana ireo tanora teo anivon’ny fokontany sy ny mpianatra teo anivon’ny sekoly Fanavotana
Fikambanana iray mampiofana ny tanora latsaky ny 25 taona ny fikambanana Daholo. Maharitra eo amin’ny 9 sabotsy ny fiofanana. Takiana ny fahazotoana sy ny faniriana hivoatra amin’ny fiainana sy hananana asa tsara ho an’ireo mpiofana. Miovaova araky ny filana sy ny tranga iainan’ny ankizy ny fampiofanana raha ny fanazavana voaray hatrany. Mahatratra 60 ireo mpikambana tonga nandranto fahalalana eo anivon’ny fikambanana. « Mila mikarokaroka sy mazoto isika tanora satria efa misy ny olona sy ny orinasa vonona hanampy antsika » hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tsy tokony atao sakana intsony ny olana amin’ny fitadiavana asa fa efa misy ny olona vonona ny hampianatra. Marihina fa andiany voalohany ny hetsika. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany fa hisokatra ho an’ny tanora manerana ny nosy.
Mino (mpianatra asa)