Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray maty notapahin-doha

Raim-pianakaviana iray 50 taona no maty tamin’ny fomba feno habibiana. Nentina nivoaka ny tanàna misy azy izy, nokapain’ireo dahalo ny lohany ary nentin’izy ireo.

Ny zoma teo tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, notafihina andian-jiolahy ny tokantranon’ity lehilahy ity, monina ao amin’ ny kaominina Vinanitelo, distrikan’i Manakara. Tantsaha izy, varira ary manambady aman-janaka. Tsy nitsitsy azy anefa ireo jiolahy, nampihorohoroana ny ankohonany. Avy eo nentina nivoaka ny tanàna misy azy ity raim-pianakaviana ity ka nanamparana habibiana mahatsiravina. “Noteti­tetehina ny vatany ary ny lohany kosa mbola tsy hita hatramin’zao fa nentin’ireo nahavanon-doza. Ny vatany kosa navelany teo an-toerana”, hoy ny fanazavan’i Soja Fulgence, filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar. Nisokatra ny famotorana ny raharaha ka olona efatra no voasambotra sy voarohirohy amin’ity trangana vono olona mahatsiravina ity. Tratra ny sabotsy teo, tao amin’ny kaominina Lokomby, ireo voatondro ho nanao izany ka natao famotorana. Nanamafy ny filohan’ny fikambanana fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izao habibiana mahatsiravina izao. “Tena efa tsy rariny intsony izao zava-misy izao, koa miangavy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny handray ny andraikitra tandrify azy”, hoy hatrany i Soja Fulgence. Nambarany fa trangana vono olona varira fahadimy tao Manakara ny nahazo ity raim-pianakaviana ity.

Henintsoa H.

Partager sur: