Efa nokarohina hatry ny ela : roa lahy nangalatr’ omby voasambotra

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary tao Soavina­rivo Sahanivotry, ny roa lahy nangalatr’omby ny alahady teo. Nangalarin’izy roa ireto tany Fandiorano, Miaranava­ratra Fandriana, ny omby. Nisy nahatsikaritra ny fandalovan’izy roa lahy teo amin’ ny fokontany Soavinarivo. Nahita ny fihetsika hafahafa, nampandre avy hatrany ny zandary miasa ao an-toerana ny tsara-sitrapo. Nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana.
Tsy nahitana taratasy na iray sy fanamarinana maha tompon’omby teny amin’izy roa ireto. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, omby nangalariny tao Fandriana ireto tra-tehaka teny amin’izy ireo ireto. Efa jiolahy karohina hatry ny ela tao Fandriana ny iray tamin’izy mirahalahy. Notanana am-ponja izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: