Tsy voalohany ny fanairan’ ny kaominina Tsianisiha ny fanjakana handray fanapahan-kevitra hanokafan’ny filoham-pirenena indray ny Base To-liara. Nivory izy ireo ny herinandro lasa teo, niaraka tamin’ ny ben’ny Tanàna, Rakotomavo Doody Jummerman. Ho azy ireo, zava-dehibe ny lanja ara-toekarena entiny, toa ny famoronana asa, ny hetra sy ny tamberim-bidy, ny tolotrasa sy tsena ho an’ny orinasa eo an-toerana, sns.
Nilaza ny ben’ny Tanàna, fa hanome asa ny tanora ny orinasa Base. Efa nisy koa ny fanofanany ny mponina hamboly legioma, hamatsiana ny orinasa. Manakiana fahatany ireo mpanohitra ny tetikasa, sady misy ambadika politika ary tsy monina any an-toerana akory, fa avy any amin’ny fokontany sy distrika hafa.
Diso ny tsaho aely
Nilaza i Jean Victor, avy any Beravy Atsimo, fa « diso ny tsaho aely fa misy fiantraikany amin’ny fahsalamana ny fitrandrahana fasimainty. Tsy misy zaza sembana aty aminay na iray aza, ka lazaina fa avy amin’ity orinasa ity ».
Miray hina koa ny vehivavy, toa an-dRtoa Estance, avy any Andoharano, sy Rtoa Victorine Pélagie avy any Tsiafanoky. « Mangataka ny hanokafana ny orinasa, mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fiainanay. Sahirana izahay satria tsy misy ny asa. Tsy mbola miasa ny siniben-drano nefa mila rano madio fisotro izahay. Hany fanantenanay ny fisokafan’ny Base », hoy izy ireo.
Njaka A.