« Iles Vanilles » : mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny 2028

Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe « Iles Vanilles » ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Madagasikara, La Réunion, Maurice, Sey­chelles, Comores, Mayotte). Nanao fivoriambe ampitain-davitra (visioconférence) ny mpikambana, ny herinandro lasa teo, nitatitra ny zava-bita 2022 sy ny hatao ny 2023. Natao ny fifamindram-pahefana izay i Madagasikara in­dray no hitarika azy amin’ity taona 2023 ity, nandimby an’i La Réunion. Nilaza ny mini­sitry ny Fizahantany mala­gasy, Randriamandranto Jöel, fa hiarahan’i Madagasikara miombon’antoka amin’ny Iles Vanilles, ka tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany miisa 1.000.000 hitsidika ireo Nosy ireo amin’ny taona 2028.
Anisan’ny hanatrarana izany ny fitetezana firenena « eductour », hampahafantarana ireo Nosy ireo. Eo koa ny fikarakarana hetsika « salons », ny fandalovan’ny sambo va­venty mitondra mpizahatany ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fizahantany.

Njaka A.

Partager sur: