Banky iraisam-pirenena: ny sosialy no tena hanampiany an’i Madagasikara

Anisan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 81 % ny Malagasy.

Vao mainka mahantra i Madagasikara noho ny aretina Covid-19. Nanafoana ny harena efa azo nandritra ny taona maro izany. Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena, latsaka anaty fahantrana lalina ny
81 % ny mponina. Tsy mahita 2 dolara isan’andro (1 dolara = 4325 Ar, 6 marsa 2023) izy ireo. Ankoatra ny aretina, betsaka ny loza ara-toeka-rena sy ny tsy fanjarian’ny toetr’andro izay misy fiantraikany amin’ny toekarena.
Vokatr’izany, nandray fepetra ny Banky iraisam-pirenena ny hanome vahana ny lafiny sosialy. Tanjona ny fiarovana ny isam-batan’olona sy ny fanampiana azy ireo, indrindra izay tena ma­hantra. Azo ambara fa antony iray nifantohan’ny fitondrana ankehitriny ny lafiny sosialy izany.

Tokony ho fiarovana ny sosialy

Nitombo ny fanampian’ ny Banky iraisam-pirenena ny lafiny sosialy. Tokony hatao ny tetikasa manome lanja ny fiarovana ny sehatra sosialy: toy ny fahasala­mana sy ny fampianarana any amin’ ny ambaratonga fototra, ary ny sakafo ho an’ny ankizy.
Nasian’ny Banky iraisam-pirenena teny mano­kana ny tokony hampahaleo tena ny vehivavy. Miampy ny fampihenana ny elanelana misy eo amin’ny vavy sy lahy, indrindra eo amin’ny fihariana sy fanabeazana.
Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena hatrany, voafetra araka ny fahafa­han’ny isam-batan’olona sy ny fotodrafitrasa ny toeka­rena eto an-toerana. Ohatra hita amin’izany ny fambo­lena. Voadona mafy koa i Madagasikara amin’ny lafiny fiovan’ny toetr’andro.

Farany ambany maneran-tany

Noho ny tsy fisian’ny fanavaozana azo antoka, mety afaka 70 taona vao tojon’i Madagasikara ny fari-piainana any Rwanda, ankehitriny, izay tsy lavitra aty Afrika. Iray amin’ny farany ambany maneran-tany ny maha olona. Raha ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ahitana mponina fahefatra maneran-tany tsy ampy sakafo be indrindra eto Madagasikara, sy ankizy maro latsaky ny 10 taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra.

Ndrina

Partager sur: