Manjombona tanteraka ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Vavatenina tato ho ato. Lavo vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny 2 marsa teo, koa Ravelona Mauril, lefitra faharoan’ny ben’ny Tanàna, izay nidoboka am-ponja ao Antanimora ny voalohan’ny volana marsa teo noho ny raharahana kolikoly sy fanaovana hosoka amina volam-panjakana.
Ny alakamisy 2 marsa Ravelona Mauril, nandray taksiborosy ho any Toamasina sy hanohy ny dia ho any Vavatenina, saingy nitrangana lozam-pifamoivoizana
mialoha ny hidirana an’ i Moramanga. Raha tsiahivina, efa any am-ponja noho ny kolikoly ihany koa ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Vavatenina.
Sajo