rivodoza freddy : miha manalavitra ny morontsiraka atsimo

Tany amin’ny130 km atsimo andrefan’i Toliara no misy ny foiben’ny rivodoza Freddy, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. 90 km isan’ ora ny herin’ny rivotra hoentiny ary tafiotra hatramin’ny 125 km isan’ora. Mianan­drefana somary atsimo an­drefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 5 km isan’ora. “Raha ny fizotrany dia manalavitra miadana ny morontsiraka malagasy izy fa hitohy kosa ny rotsak’orana antonony na betsaka
amin’ny tapany atsimon’ny Nosy”, hoy ny fanamarihan’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.

Hikorontana ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo an­drefana ary atsimo atsinanana, noho ny hamafin’ny rivotra. Mahatratra 45 hatramin’ ny 65 km isan’ora izany, mi­araka amin’i Freddy. Ahina ny hamafin’ny rivotra, na­nomboka omaly hatramin’ny rahampitso. Hisy fiantraikany amin’ny fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina iza­ny. Ireo faritra voakasika ho an’ny fampitandremana mi­loko mena: eo anelanelan’i Morondava sy Taolagnaro. Fampitandremana miloko mavo, eo anelanelan’i Cap St André sy Morondava.

Vonjy

Partager sur: