Fampiasana fanafody : nodinihina tany Maroc, ireo mety ho vokatra tsy irina

Ny 2 sy ny 3 marsa teo, nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ i Afrika tany Rabat, Maroc i Madagasikara. Ni­ompana tamin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny adihevitra.

Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny siansa sy ny asa aman-draharaha momba ny fitiliana, fanombanana, fahazoana ary ny fïsorohana ny vokatra tsy irina. Eo koa ny olana hafa rehetra mifandraika amin’ ny fanafody na vokatra ara-pahasalamana naparitaka eny amin’ny tsena hamidy na omena maimaim-poana. Voasokajy ao anatin’izany na ny mbola mety hitranga na efa miharihary na ny tranga mitatao.
Ao anatin’ izany koa, ny fitambaran’ireo lahasa fampivondronana, fanaraha-maso ary fanaparitahana ny vaovao momba ny voka-dratsy tsy nirina ateraky ny fanafody, araka ny andininy faha-123 ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamana, lalàna faha-2011-002 ny 15/07/2011.

Antony maro no mahatonga ny vokatry ny fampiasana fanafody. Anisan’izany ny tsy fahazakana ny singa ao anatiny ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana.

Tatiana A

Partager sur: