Ny herinandron’ny 5 febroary hatramin’ny 3 marsa teo, olona iray no matin’ny Covid-19, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka. Nahitana trangan’ aretina vaovao miisa 24 ihany koa voamarina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahatratra 1.190 ireo natao fitiliana rehefa nahiahiana ka ireo 24 ireo no voaporofo fa voan’ny Covid-19.
Tsy mbola afaka tanteraka amin’ny aretina, araka izany, i Madagasikara na dia efa hita fa tena mihena aza ny tranga. Eto Antananarivo avokoa ny 19 amin’ireo fantatra fa mitondra ny aretina ireo. Nahitana tranga iray kosa tany Alaotra Mangoro, Vakinankaratra sy Atsinanana ary Melaky sy Menabe.
Mila miaro tena hatrany rehefa misy mikohaka na tsy salama manodidina. Ireo mikohaka sy voan’ny sery ihany koa tsy tokony hifangaro amin’ny olon-kafa mba tsy hamindra ary mampiasa arovava orona araka ny tokony ho izy.
Maro ireo marefo taorian’ny fahavoazana rehefa nandamaka nandritra ny aretina Covid-19 namaivay ireny ka mila miaro tena fatratra raha ny toromariky ny dokotera.
Tsikaritra anefa fa efa goragora ny fitandremana eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy misy manao aro vava orona intsony na anaty fitateram-bahoaka na any am-piangonana.
Tatiana A