Boriborintany enina :1200 ny kopia hozaraina amin’ny mponina

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny boriborintany fahefatra ny fizarana kopia faobe. Mahatratra 1200 izany, hozaraina manerana ny boriborintany enina eto An­tananarivo Renivohitra. Hisi­traka izany ireo ankizy latsaky ny 12 taona eny anivon’ny fokontany. Tanjona ny hana­m­piana ny zaza sy ny ray aman-dreny manana olana amin’ny tsy fananana kopia.
“Tsy afaka misitraka ny zony sy tsy afaka mianatra ny zaza tsy manana kopia”, hoy ny tale eo anivon’ny fikambanana Koloaina, Ralaifanjason. Nilaza izy fa ho fanampiana ireo olona marefo tsy manana fahafahana manao izany no nanaovana ny hetsika. “An­ton’ny tsy fahavitana kopia ny tsy fahalalan’ny olona ireo dingana rehetra eny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy kosa ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny kaominina, Razafi­man­dimby Rija Ethel. Noha­mafisiny hatrany fa antoka maha olom-pirenena ny olona iray eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fananana kopia.
Marihina fa andiany faharoa ny hetsika nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Koloaina. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny velirano napetraky ny ben’ny Tanàna amin’ny fanomezana aina ny mponin’ Antananarivo. Nanokatra ny hetsika teny an-toerana ny Sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra, Randrianoely Martin. “Maharitra 30 andro aorian’ny fanambarana fahaterahana ny fanaovana kopia eny anivon’ny boriborintany”, hoy ny delegen’ny boriborintany fahefatra, Rasoarimalala Marie Josephine.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: