Nitohy tany Fenoarivo Atsinanana, ny sabotsy teo, rehefa avy any Ikongo ny fidinana ifotony “Mihava Tour”, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Hentitra ny nambarany tamin’izany. “Tsy voahaja ny demokrasia. Tsy mipetraka ny fahalalahana eto amintsika eo amin’ny lafiny politika sy ny toekarana”, hoy izy.
Nohitsiny fa voahitsakitsaka izany ka mahatonga ny firenena sy ny vahoaka ho sahirana tato anatin’ny 20 taona. “Be loatra ny fifehezana ataon’ireo mpitondra foibe ary tsy manana finiavana hametraka ny tena fitsinjaram-pahefana izy ireo ka miteraka fahantrana amin’ ny sehatra rehetra amin’ izao fotoana izao”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa tsy mbola niaina izany tena fitsinjaram-pahefana izany isika hatramin’izao na voasoratra anaty Lalàmpanorenana aza izany. Mivagongo any amin’ny fanjakana foibe avokoa ny rehetra, hatramin’ ny fanapahan-kevitra momba ny toekarena, araka ny nambarany hatrany. “Famotehana firenena ny fibodoana ny volam-panjakana”, hoy izy. Notakiny koa ny hanalalahana ny sehatry ny lavanila ka ireo mahafehy sy mahay ary mikirakira izany no tokony haka fanapahan-kevitra momba io seha-pihariana io.
Ankoatra izany, nambarany fa tsy mbola fotoana hilazana ny haha kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena azy izao. Mihaino ny vahoaka aloha ahafahana mandrafitra ny fampandrosoana tian-katao. Ho avy ny fanapahan-kevitra momba izany, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.