Minisitry ny Atitany : “Hajanona ny hetsika 8 marsa”

“Efa nankalaza ny Andro ho an’ny zon’ny vehivavy isika tamin’ny 8 marsa, ni­raisan’ny firenen-drehetra. Noho ny fisian’izao voina lehibe misy eto amin’ny firenena izao, maro ireo namoy ny ainy sy ny traboina: ajanona aloha ny fankalazana, ankoatra izay efa natao tamin’ny andron’ny 8 mar­sa.”

Io no fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Jus­tin, tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, ny fa­ran’ny herinandro teo. Tsy azo nialana ny tamin’ny 8 marsa, fa andro natokana ho an’ny zon’ny vehivavy ma­nerana an’izao tontolo izao. Tao anatin’izany ny teto Madagasikara.

Ankoatra ny 8 marsa efa vita, hajanona ny fankalazana. “Mba marika iray hampisehoantsika fa miray hina isika amin’ireo havantsika namoy aina sy amin’ireo tra­boina marobe izany amin’ ireo faritra isian’ny fiaka­ran’ny rano sy traboina marobe”, hoy izy. Noho ny fihavanana, tokony hampiseho firaisankina sy fiaraha-miory ny vahoaka malagasy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy amin’ireo havana namoy aina sy traboina amin’izao fotoana izao izay tena sahirana. “Hanao izay vitan­tsika isika”., hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: