Mifampiana-dratsy !

Efa eny an-kianja ny mpilalao rehetra raha resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika no asian-teny. Samy efa manovokovoka amin’ny hetsika isan-karazany sy ny famoriam-bahoaka ny manana hoenti-manana amin’izany. Andaniny ny loko mavo, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ankilany ny loko volomboasary, miaraka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Ankoatra ireo, tsy azo hamaivanina fa misoko miadana toa ron-gisa ny menamena, an’ny Antoko Tiako i Madagasikara, entin’Atoa Ravalomanana Marc. Mody tsy re tsaika, fa mikononkonona any ambadika ny mangamanga, miaraka amin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Samy manana ny paikadiny sy ny fomba fiasany avokoa.
Eo no hisarihana ny sain’ny Malagasy tsy vakivolo, indrindra izay manana ny zo hifidy. Mila mampiseho fahaizana mijery izay ho namana amin’ny dimy taona manaraka, hisorohana ny zava-nisy hatrizay ka hatramin’izao. Tsy afaka ailika samy irery amin’ny fitondrana ankehitriny ny rihitra satria fitohizan-draharaha sy fanohizana karazana tsy fahaiza-mitantana samy hafa endrika fotsiny no misy. Tsy misy ny fampandrosoana azo tsapain-tanana. Misongadina sy migalabona, hitam-poko hitam-pirenena ny mpitondra sy ny manodidina azy. Mahita faisana sy zara raha mahita mangirana kosa ny sarababem-bahoaka.
Iza anefa no homen-tsiny ? Samy manana andraikitra goavana amin’ny zava-misy sy iainana, ankehitriny ny olon-drehetra. Tsy sanatrian’ny vava ka hoe mandatsa amin’izao fahoriana sy fahantrana mangitsokitsoka izao. Ny vahoaka no mila mahay misafidy izay ho mpitondrany. tsy ho sodokan’ny t-shirt sy ny vary amin’ny kapoaka. Ekena fa sarotra ny fiainana kanefa mila manana fahasahiana, hijoro amin’ny maha-izy azy ny mpifidy. Tsy ho sodokan’ny kobaka am-bava sy ilay « mesia sandoka » ho mpanavotra ny Malagasy.
Ianareo izay milaza fa ho kandidà, na tsy mbola nanao fanambarana ofisialy aza, tokony efa hampiseho fahavononana, hijery tokoa ny Malagasy sy ny tombontsoany. Aiza rey olona ka misy sahala ny efa maty fanahy ! Lany henatra amin’ny fampanantenana poakaty kanefa teo ihany no miverina na mihofo toa tanalahy fotsiny. Farafaharatsiny mametraka ny etika politika, na bitika aza. Tsy menatra ny milaza antsanga aman’orana, mampanantena volana sy kintana kanefa olona efa niara-nihosona tamin’ny fitapita-bitro madinidinika nanambaka ny Malagasy.
Raha fehezina, tsy misy manana ilay tena fitiavan-tanindrazana ny ankamaroan’ireto milaza fa hitondra ny 5 taona manaraka ireto. Vao mijery ny lalana nodiaviny tamin’ny tontolo politika dia efa mena ny famantarana. Mamparisarisa ny mijery sy mihaino azy ireny noho ny fomba amam-panao ifandovana. Toa mpanao politika, mifampiana-dratsy izato izy. Mifampitarika any amin’ilay fampahantrana faobe ny maroanisa, fa manome vahana ny olom-bitsy amin’ny figiazana ny harem-pirenena sy ny tombontsoa tokony hifampizarana.
Tsy hita izay hambara, fa dieny aty amin’ny fanomanana sy ny fampielezan-kevitra dia efa mila mahay ny asiana ny tongotra sy izay homena ny vato Ramalagasy !

r.r

Partager sur: