Fandrantoana fianarana any Maraoka : velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra

Tsy afaka ny hangina intsony. Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ izy ireo, omaly, fa tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny fanjakana amin’ny hamerenana ny volan’ireo ray aman-dreny, nataon’izy ireo saran-dalana tamin’ny fiaramanidina “Billet d’avion”. Efa nilaza ary mbola nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny tany Maraoka, ny volana no­vambra 2022 ny amin’ny ha­merenana ny volan’izy ireo.
Tsiahivina fa nalefan’ny fanjakana hanohy fianarana any Maraoka ireo mpianatra mendrika indrindra manerana ny Nosy, afaka fanadinana bakalorea ny taona 2021-2022. Nampanantenaina ireo ray aman-dreny tamin’izany mba handoa ny saran-dalana « Billet d’avion » aloha fa haverin’ny fanjakana avy eo.
Efa nihaona tamin’ny filoham-pirenena ireo mpianatra sy “Diaspora” malagasy any an-toerana ka nampanantenaina ny hanefan’ny fanjakana ny “Billet d’avion” sy ny “Allocation”, saingy izao tsy mbola tanteraka izao.

Synèse R.

Partager sur: