Sivy taona aty aoriana : hivoaka ny sarimihetsika « Malok’Ila Le grand retour »

Taona 2014, niato ny famoahana ilay sarimihetsika «Malok’Ila» novokarin’ny Scoop Digital. Sivy taona
aty aoriana, «amin’ny tapatapaky ny volana mey no hivoaka voalohany ny vokatra vaovao “Malok’Ila Le grand retour”», hoy Razafiman­dimby Mamitiana, tale jeneralin’ity orinasa mpamokatra sarimihetsika ity. Nohama­fisiny fa : «hanaraka io ambaran’ny lohateny io ny tantara. Na ny lafiny teknika na ny lafiny fikarakarana, hipetraka amin’ny maha matihanina anay izahay. Ireo mpilalao rehetra izay mbola velon’aina, ho hita ao avokoa. Tsy ho tsapanareo ny fahabangana (nisy ireo efa nodimandry) fa hiezaka izahay hameno izany. Notazo­nina ilay maha fialamboly sy fitaizana ary fanabeazana ny olom-pirenena ny sarimihetsika. Misy hafatra ihany koa ao anatiny. Hita ao anatiny koa ny “sira”…».
Ao anatin’ny fakana ny sary, feo…ry zareo ankehitriny. Tanterahina ny 15 mey 2023 ny fandefasana voalohany. Ao anatin’ny dimy volana, hitety faritra manerana an’i Madagasikara ny “Malok’Ila Le grand retour». Hahatratra 500 eo ho eo ny fandefasana hotanterahina miaraka amina hetsika samihafa. Hanaraka ny teknolojia ihany koa ny fanapariahana satria afaka jerena amin’ny alalan’ny finday, internet, sns. Hodinihina tsara ny hamoahana azy anaty kapila mangirana aorian’ireo rehetra ireo.
Raha ny fanazavan-dRa­zafimandimby Mamitiana ha­trany, «miompana amin’ny harena sy ny fitiavan-karena ny “Malok’Ila Le grand re­tour ». Rehefa maty noho ny loza nahazo azy ireo ny lohandohan’ny mpisorona, tonga avokoa ireo milaza ho mpandova… Iza marina no tokony handova » ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: