Ny orinasa Aeropub no voafidy tamin’ny tolotra maneran-tany natao, handrafitra ny dokam-barotra ao amin’ny Ravinala Airports any Nosy Be sy eto Antananarivo. Efa fantatra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanadina iraisam-pirenena eo Ivato sy any Nosy Be.
Mihatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpandeha, araka ny fahitana azy. « Nisy fotoana, maro loatra ny dokam-barotra eo am-pandehanana sy am-pahatongavana. Tsy ahitana ireo tena vaovao ao anatin’ny seranam-piaramanidina, fa mampikorontana aza izany. Tsy ahafantarana ny hafatra tiana hampitaina amin’ny mpandeha momba an’i Madagasikara », hoy ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Julien Coffinier.
Noho izany, ankinina amin’ny Aeropub, orinasa matihanina, ny fametrahana dokam-barotra amin’ireo seranam-piaramanidina, hanome fanatsarana ho an’ireo mpandeha, ary hampisondrotra ny toeran’ny Ravinala Airports amin’izany dokam-barotra izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tamin’ny 2020 no azon’ny Aeropub ny tolotra hisahana ny dokam-barotra amin’ny seranam-piaramanidina eo Ivato sy Nosy Be. Nanome toky izy fa hampahalala azo antoka sy manaraka ny teknolojia mifandraika tsara amin’ny fivoaran’ny nomerika ankehitriny.
Manao fampahafantarana ara-barotra
Manao fampahafantarana ara-barotra koa ny orinasa, sy manome tolotra mifanaraka amin’izay ilain’ny mpanjifa. Araka izany, izay te hampahalala ny momba azy, tokony ho fantatra mazava eny amin’ny seranam-piaramanidina eo amin’ny raharaham-barotra rehetra.
« Mampahafantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Aeropub ho an’ny orinasa rehetra na inona ny sehatra misy azy Ny tolotra avy aty aminay misy akony lehibe, ary mitandro ny tontolo iainana, miaraka amin’izay efa voafantina tsara », hoy Rakotoalivololona Felana, mpitantana ao amin’ny Aeropub.
Ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Ravinala Airports sy ny Aeropub izao , manana tanjona hampitombo ny fahalalan’ny mpandeha amin’ireo seranam-piaramanidina roa ireo.
Ndrina