Maty tao anaty hotely fandriam-bahiny iray ao Ambatondrazaka ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Anororo, Andrianony, Vahiny Cyrille Damien François antsoina hoe Toutou Damien, disitrikan’ Amparafaravola. Omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora teo, niantso vonjy tamin’ireo mpiasan’ny hotely ilay vehivavy niaraka taminy. Nilaza izy fa tsy nahatsiaro ity ben’ny Tanàna ity ka tonga nidodododo namonjy izany ireo mpiasan’ilay trano fandraisam-bahiny. Teo no ho eo ihany, nentina haingana teny amin’ny hopitaly ity tomponandraikitra ity saingy tsy tana intsony ny ainy. “Tsy hita kosa izay nalehan’ilay vehivavy niaraka taminy”, hoy, ny loharanom-baovao any an-toerana. Ao ireo milaza fa sakaizan’ity ben’ny tanàna ity izy. Ao koa ireo nanamafy fa mpiara-miasa aminy io vehivavy io. Misy aretina mitaiza ity tomponandraikitry ny kaominina ity saingy nihetsika tampoka izany omaly ka nitarika tamin’ny fahafatesany, raha ny angom-baovao hatrany. Fantatra ihany koa fa tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny fianakaviany tao amin’ny hopitaly ny governoran’ny faritra Alaotra Mangoro sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanatrika izany koa ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, ireo talem-paritra. Nanotrona izany koa ireo namana mpiara-dia sy mpiray antoko aminy.
Ny harivan’io, niainga tao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka nihazo an’Anororo ny vata-mangatsiaka an’Itompokolahy Toutou Damien taorian’ny “autopsie” nataon’ny mpitsabo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Henintsoa H.