Hetsika “Songadina” : mahaliana ny Malagasy ny kolontsainy

Tontosa ny talata 14 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoe­ran’ny kolontsaina malagasy na IKM Antsahavola, ny atrikasa mahakasika ny dihy “Baohejy”. Tafiditra ao ana­tin’ ny hetsika “Songadina” fampahafantarana ny kolon­tsaina sy fomba amam-panao mampiavaka faritra sy fari­tany iray izy ity. Ny faritanin’i Maha­jan­ga sy ny faritra Sofia no nampahafantarina teto. “Ko­lontsaina iray, tontolo iray” io no vinan’ny Ivontoe­ran’ny kolontsaina malagasy ao anatin’izao hetsika izao. Miara-miasa amin’ny vondrona Le­masà ny IKM amin’ny fanatontosana izao hetsika izao.
Tanjon’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy ny hampahafantatra ny Malagasy rehetra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao rehetra misy eto Madagasikara. Nan­drintra ny nanombohan’ny hetsika, maro ny olona liana amin’ny hetsika. Ny taovolo sy ny dihy mampiavaka ny faritra sy ny faritany no tena nahaliana ny olona. Raha tsiahivina, anisan’ny nampahafantarina tao anatin’ny hetsika “Songadina” ny taovolo “Taly Sofia”. Miandahy miambavy ny niatrika io fizarana amin’ny fanaovana ity taovolo ity. Ankoatra izay, nisy ny atrikasa momba ny dihy Malesa sy Baohejy, izay nahasarika olona maro tokoa. “Ny tanora sy ny ankizy mpianatra no tena entanina hiatrika sy hitsidika ny hetsika mba ahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny momba an’i Madagasikara fa tsy hijanona fotsiny amin’ny eto Antananarivo sy ny manodidina”, hoy ny mpikarakara. Hisy ny fandefasana ny horonantsary fanadihadiana mom­ba an’i Baohejy hamaranana ny hetsika.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: