Fifindra-monina : melohin’ny OIM ny fiondranana tsy ara-dalàna

Mitohy hatrany ny ezaky ny tomponandraikitra ny amin’ny fam­panarahan-dalàna sy fandavorarina ny fifindra-monina sy fivezivezena. Tsy ekeny ary toheriny, indrindra ny fikambanana iraisam-pirenena, ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ao anatin’izany.

“Efa hatramin’ny taona 2020 no nisian’ny fikasana hifindra monina ho any amin’ny Nosy Mayotte, avy aty Madagasi­kara. Misy no tafiditra antsokosoko ary maro no tratran’ny tomponandraikitra avy eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny saron’ny avy ao Mayotte”, hoy ny fanambaran’ny Orga­ni­sation internationale pour les migrations (OIM). Fi­fin­dra-monina ara-dalàna sy mirindra ary milamina tsara no tanjon’ny OIM. Manampy ny olona sahirana amin’ny tranga hamehana ny fikambanana. Manome alalana ny fahafa­han’ny governemanta eo an-toerana hitantana ny zava-misy kosa anefa izy ireo rehefa misy izany hamehana izany. Na eo aza anefa izany rehetra izany. Melohin’ity fikamba­nana iraisam-pirenena ity ny fifindra-monina sy fivezivezena tsy ara-dalàna.
Ny andron’ny talata 14 marsa no nanaovan’ny OIM fanambarana ho an’ny mpanao gazety momba ny raharaha faharendrehan’ny sambo haingam-pandeha tany Ankazombo­rona, ny alin’ny sabotsy 11 marsa 2023. Raha tsiahivina, nitondra olona 47 hiondrana any Mayotte ity sambo ity no izao tra-doza izao. Manamafy ny fiarahany miasa amin’ny fi­tondram-panjakana malagasy ny OIM hamahana izao olan’ ny fifindra-monina sy fivezivezena tsy ara-dalàna izao. “Antsoina ny mpiara-miombon’antoko ara-bola sy teknika rehetra mba hifanampy amin’ny fanjakana, ialana amin’ny tranga sahala amin’ izao”, hoy i Roger Charles Evina, lehiben’ny iraky ny OIM eto Madagasikara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: