Tsy mitsahatra miroborobo ny varotra fiarakodia efa niasa avy any Eoropa tonga eto Madagasikara na eo aza ny krizy isan-karazany. Tamin’ny fotoanan’ny Covid, ohatra, ny fanafarana no nihena na nitsahatra, araka ny firenena niaviany fa ny varotra nandeha ihany teto an-toerana na somary nihena aza. Nisy fotoana nitombo 41 % ny fiarakodia efa niasa tonga tao Toamasina. Mbola hafa ny tonga any amin’ny seranan-tsambo sasany. Fa ho an’ny mpandraharaha sasany mora kokoa, tsy mandany fotoana ny mampiditra fiara ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga.
Ahitana sokajina fiarakodia efa niasa daholo ny miditra eto Madagasikara na fiarakodia madinika, na fiara vaventy, indrindra ny mpitatitra olona. Ao koa ireo tranombarotra vaventy sady mivarotra fiara vaovao no fiara efa niasa, fa ity farany no be mpitady sy takatry ny maro. Voalaza fa 85 % amin’ny tsena eto an-toerana, fiara efa niasa avokoa.
Amin’ny ankapobeny 54 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 140 tapitrisa Ar ny vidin’ireo fiarakodia ireo, arakaraka ny marika (Peugeot, Renault, Toyota …) sy ny lalana efa vitany. Fiara mandeha gazoala no betsaka. Ny fanjakana sy ny orinasa kosa no maro manjifa fiara vaovao.
Efa misy izao ny fanafarana avy any Azia, indrindra ny kojakoja. Mora kokoa izy ireny raha ampitahana ny avy any Eoropa, no sady hain’ny teknisianina malagasy ny mampiasa azy. Fehiny : endriky ny toekarena marefo ny fahamaroan’ny fiara efa niasa amina firenena iray.
Ndrina