Notoloran’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ny tetikasa PTASO*, hampiasaina amin’ny fametrahana ilay orinasa fanodinam-bokatra lehibe any Atsimo Andrefana. Efa manomboka ny fanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny fanadihadiana ifotony momba ny fametrahana ny faritra fanodinana ny vokatry ny tantsaha ho lasa vokatra ho azo jifain’ny mponina eto Madagasikara sy haondrana any ivelany.
Eo koa ny famaritana ny toerana sy ny fifampiresahana amin’ny mponina manodidina. Ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana koa efa mandeha. Hanampiana tosika izany no antony nanomezana ireo fiara ireo hampiasain’ireo mpiasa anatin’io tetikasa io hanampiana ny tantsaha, hahafahan’izy ireo mamokatra sy manampy ireo indostria ao anatin’ny faritra fanodinam-bokatra. Voakasiky ny Tetikasa PTASO avokoa ny vokatry ny tantsaha, vokatry ny fambolena, vokatry ny fiompiana ary vokatry ny jono ho lasa vokatra ho azo jifain’ny mpanjifa eto Madagasikara sy haondrana any ivelany ihany koa.
Hisy koa fametrahana tsenana omby izay voaara-maso, hahafahana manatsara ny vokatra apetraka eny an-tsena sy ny aondrana. Fotodrafitrasa maromaro no haorina ka efa manomboka ny fanadihadina momba izany. Anisan’ireny ny lalana famoaham-bokatra, ny trano fanangonam-bokatra ary ny toerana fisotroan-dranon’ny biby sy ny trano fiasana ho an’ny fitantanana.
Hahasahana velaran-tany 107 000 ha
Haorina ao Ankorongoa, manakaiky ny lalam-pirenena faha-7, miditra an’i Toliara, ity toeram-pamokarana lehibe ity. Hahasahana velaran-tany 107 000 ha izany. Hivelatra amin’ny velaran-tany 120 ha ny orinasa. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) no hanatanterahana ny tetikasa.
Notontosaina omaly 14 marsa 2023, tao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana (Micc) ny lanonana mifandraika amin’izany.
Ndrina
PTASO* : Projet de transformation Agro-industrielle dans la région Sud-Ouest