Nitazona entana halatra: jiolahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, afakomaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fitazonana entana halatra. Nahazo loharanom-baovao ny polisy, ny 10 marsa 2023 tolakandro, fa misy jiolahy roa mampiahiahy nandeha moto Jog nanitrika sy nametraka kitapo eo Ambodipont, Ankirihiry Toamasina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR ka voamarina tokoa ny fisian’ity jiolahy iray miaraka amin’ny kitapo fa ireo roa lahy voalaza nanitrika io kitapo io tsy hita teo. Taorian’ny fitsirihana, nahitana ordinatera entin-tanana iray tao anatin’ilay kitapo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ity jiolahy ity hanaovana famotorana. Fantatra nandritra izany fa halatra ireo kitapo sy ordinatera tratra teny aminy io. Hita ihany koa ireo olona tompon’ireo entana ireo izay nilaza fa nisy namaky ny fiaran’izy ireo tao amin’ny fiantsonana, fasam-bahiny Ambalabe, ny 10 marsa 2023. Very tamin’izany io ordinatera io niaraka tamin’ny vola mitentina 5 tapitrisa Ar tao anatin’io kitapo io ihany. Taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana izy ka izao naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy izao. Mitohy koa ny fikarohana ireo namany hafa, isan’ireo atidoha nikotrika izao halatra izao.

Jean Claude

Partager sur: