Hisy indray ny hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy, ahafahan’ny mpahay kanto sy mpandala kolontsaina samihafa miara-maneho ny kantony sy ny kolontsaina amina fotoana iray. Tafaverina ny hetsika rehefa tsy nisy tao anatin’ny fotoana vitsy, tokony hisiany.
Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 8 avrily 2023, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny hetsika lehibe “Miaraka”. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika amin’ity taona ity. Hetsika karakarain’ny Compagnie Lovatiana, izay miara-miasa amin’ny AFT Andavamamba amin’ity andiany ity. Haikanto sy kolontsaina maro samihafa no hita mandritra ny hetsika. Tanjona ny fampiraisana sy fampiroboroboana ireo kolontsaina samihafa .
Telo andro ny fankalazana ny “Festival Inclusif Pluridisciplinaire Miaraka” andiany fahatelo. Famelabelaran-kevitra, fandefasana horonantsary fanadihadiana, fampisehoana kolontsaina maro loko. Ireo no hita mandritra izany. Araka ny anaran’ity hetsika lehibe ity, hita miaraka ao avokoa ny kolontsaina malagasy sy vahiny. Eo ihany koa ny karazana fifaninanana malagasy sy vahiny. Anisan’izany ny filatroana, ny Slam, ny Parkour, ny dihy sy ny mozika. Hisy ny famelabelaran-kevitra iarahana amin’ny jeneraly Ramakavelo Désiré. Lohahevitra velabelarina amin’izany ny “Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana”. Eo ihany koa ny horonantsary fanadihadiana maneho ny fiainan’ny vehivavy manana fahasembanana.
Miezaka hatrany ny Compagnie Lovasoa, mpikarakara ny “Festival Miaraka”, manatsara ny hetsika. Maro ny antso efa nataon’izy ireo tamin’ny taranja maro izay misy eto Madagasikara saingy ireo no namaly ny antsono. Vonona anefa ny mpikarakara hanao izay hahatsara ity andiany fahatelo ity, amin’ny alalan’ireo karazana kolontsaina samihafa ireo.
Lin (Mpianatra asa)