Hotohizana ny seho… : hiaka-tsehatra lehibe ny Quatuor Squad

Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny Qua­tuor Squad. 14 marsa 2023, nahasarika olona maro be ny fampisehoana nataon’izy efatra mirahalahy niaraka tamin’i Tohy Ramaroson (contrebass), tao amin’ny Institut français de Madagascar, etsy Analakely. Taorian’io : « ma­nome toky anareo izahay fa hanatanteraka seho any amin’ ny sehatra lehibebe kokoa », hoy ny Quatur Squad. Fan­tatra fa hotontosaina ny 29 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny CCEsca Antanimena ity seho fampanantenan’ny Qua­tuor Squad ity. Amin’ny ankapobeny, ny fampiarahana ny hakanton’ny feon-javamaneno « violon » no tena nahafantarana ireto tanora ireto.
Anisan’ny mampiavaka ny Quatuor Squad ny fahaiza-mifehy sy mamoaka ny hira taloha sy ny amin’izao vanim-potoana izao. Hira malagasy sy hira vahiny, samy tendren’izy ireo avokoa. Ankoatra ny fampisehoana mandeha irery ataon’ny tarika, miara-miasa amina mpanakanto hafa izy ireto. Efa nisy, ohatra, ny fiarahan-dry zareo tamin’ny fanarahina ny hiran’i Tovo J’Hay teny an-tsehatra.
Marihina fa tsy nijanona tao anaty trano ny fampisehoana notanterahin’ny Qua­tuor Squad sy Tohy Rama­roson, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny volana febroary teo, fa notohizana teo ivelany noho ny fangatahan’ny olona maro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: