Nivadi-pitokisana sady nisoloky vola antapitrisany an’ny mpandraharaha, voasambotry ny mpitandro filaminana teto an-dRenivohitra ny valo mianadahy voasaringotra tamin’io raharaha io, ny 13 marsa lasa teo. Nividy vary tamin’ny orinasa mpandraharaha iray ao Toamasina ireto olona valo ireto, ny taon-dasa teo. Araka ny fifanarahany tamin’ilay teratany karana tompon’ny entana, naka entana 37 000 000 Ar hatramin’ny 347 000 000 Ar ireo mpisoloky. Narirariran’izy ireo anefa ny vola. Vao ny antsasany no voarain’ny tompon’entana. Nisy tamin’ireo mpaka entana ireo nanao “chèque sans provision”. Novonoin’ireo olona ireo ny telefaonina rehefa mitaky ny vola ilay mpandraharaha. Na-metraka fitoriana teny anivon’ ny mpitandro filaminana, noho izany, ilay tompon’ny orinasa mpanafatra vary avy any Inde. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Vokany, olona valo sarona teto Antananarivo. Natolotra ny fampanoavana ny alarobia 15 marsa teo ireto voasaringotra ireto ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.