Kolontsaina sy teknolojia : mangetaheta ny « Silent party » ny tanora

«Rahoviana izy io vao ho tonga sy hihanaka eto Mada­gasikara ?» Mety efa misy ihany fa any anivon’ny fianakaviana vitsivitsy ! «Silent Party», na ilay fety fandihizana atao anaty efitrano na an­kalamanjana, saingy tsy mitabataba be tahaka ny faheno mahazatra ny zavamaneno. Omena «casque» tsirairay ny olona rehetra manatrika ny fety. Mitovy avokoa ny hira heno ao anatiny satria miainga avy eny amin’ilay mpampandihy (DJ) avokoa ny feo rehetra.

Anisan’ny tombony lehibe ho an’ny manodidina ny fa­naovana ny «Silent party» satria tsy hisy intsony ny tabataba ateraky ny feon-javamaneno mafy. Fa ho an’ny mpikarakara indray, arakaraka ny hamaroan’ny mpanatrika ny hamaroan’ny «casque» zaraina. Fandaniana izay tsy main­tsy halaina amin’ny saram-pidirana.
Ny taona 2002 no nipoitra tany Pays-Bas ny «Silent Dis­co». Nihanaka tany Eorôpa izany avy eo… Ankehitriny, mangetaheta azy ity ny tanora malagasy. Raha ny fantatra anefa, somary atahorana eo amin’ny fiasan’ny sofina sy ny atidoha ny fampiasana «casque» tahaka itony matetitetika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: