Seho tsy fahita firy ny fiarahan’ny Sôva sy Slam anaty fampisehoana iray. Tsy nataon’ny mpikarakara sy ny mpahay ireto kanto ireto sakana ny fahasamihafana misy eo amin’ny haikanton’izy ireo avy fa vao mainka nataony ho tanjaka enti-mampiroborobo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny.
Mpahay kanto avy amina karazana kolontsaina samihafa no hanafana ny “Zoma Finaritra” eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM), Antsahavola amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Samy hitondra ny fahaiza-manaony avy mandritra io fotoana io ny Groupe Lemasà sy ny Gagno avy An-tagnana ary ny Madagaslam Section Tanà. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Songadina”, hampahafantarana ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina isam-paritra sy faritany izao hetsika izao. “Tontolo iray, kolontsaina iray”, io no vinan’ny IKM Antsahavola amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao. Tanjona ny hamelombelona indray sy hampiroborobo ny kolontsaina tsirairay avy, ho fitaizana ny tanora.
Hiavaka kely amin’ny mahazatra ny hetsika “Zoma Finaritra” amin’ity anio ity. Hiray sehatra ao amin’ny IKM Antsahavola ny Sôva sy Slam. Na eo aza ny fahasamihafana misy eo amin’ireto haikanto roa ireto, haseho amin’ity anio ity fa afaka miaraka tsara ny kolontsaina roa samy manana ny maha izy azy. Ny mpikambana ao amin’ny Madagaslam Section Tanà no hanao ny Slam, raha ny avy ao amin’ny Gagno avy An-tagnana kosa no hiventy ny Sôva.
Anisan’ny mampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny Sôva. Ny Sôva izay antso an-kira mampita hafatra avy amin’ny fiarahamonina iray, mankany amina fiarahamonina iray. Mampiavaka azy ny fizaran’ ny mpihira ho mpiventy sy mpamaly. Haikanto noforonin’ny Malagasy, niara-nivoatra tamin’ny taona sy ny zava-nisy. Somary tsy dia tazana firy izy saingy misy ihany ireo miezaka mamelona azy. Anisan’izany ity fikambanana hitondra ny Sôva amin’ny hetsika “Zoma Finaritra” ity. Ny Slam indray, izay haikanto vahiny, fanao tany anaty trano fisotroana sy teny an-dalambe. Tanjona tamin’izany ny hanatsarana kokoa ny famakiana ny tononkalo.
Lin (Mpianatra asa)