Anisan’ireo mpifaninana dimy hiatrika ny famaranan’ny “Prix Orange du Livre en Afrique 2023”, andiany fahadimy, i Michèle Rakotoson, amin’ny alalan’ilay bokiny “Ambatomanga”. Ny 15 marsa 2023 no namoahan’ny mpikarakara ny vokatra, tany Abidjan Cote d’Ivoire. Nahatratra 38 ny boky nifaninana tamin’ity andiany ity. Boky avy amina firenena 12 avy eto Afrika. Mpamaky boky, mpiandraikitra trano famakiam-boky, mpanonta boky, mpanao gazety. Ireo no mpitsara ao anatin’izao fifaninanana izao. Tanjona ny hampiroboroboana ny talenta eo amin’ny sehatry ny literatiora aty Afrika, indrindra ho an’ny tany miteny frantsay.
Ny volana mey 2023 no hanatanterahana ny famaranana amin’ity fifaninanana ity, mandritra ny “13ème Salon International du Livre d’Abidjan (SILA)”. Vola mitentina 10 000 Euros no azon’ny mpandresy amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ny voafidin’ny mpitsara hiatrika ny famaranana ny sanganasan’i Michèle Rakotoson. Boky izay mitantara ny fandresen’i Madagasikara ny Tafika frantsay. Fitantarana ny tantara tany amin’ny taona 1894.
Lin ( Mpianatra asa)