Toamasina : fitakiana ny hanokafana ny tetikasa Volobe II

Nankalaza ny Andro ma­neran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny teto Toamasina, ny 15 marsa teo. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampi­za­kantenan’ny mpanjifa mankany amin’ny angovo madio ». Nandray anjara ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa teto Toamasina nohotronin’ny avy any Antananarivo. Anisan’ny nasongadin’izy ireo ny hanokafana ny famokarana herinaratra, ny tetikasa Volobe II.
Manampy izany, niverimberina nandritra ny fandraisan’ireo mpanatrika fitenenana, ny haratsian’ny tolotry ny Jirama, toy ny fahalotoan’ny rano fisotro, ny fahatapahan’ny herinaratra matetika, ny fiakaran’ny vidin-jiro sy ny vidin’entana ilaina andavanandro. Eo koa ny sakafo lany daty, ny tsy fandriampahalemana, ny haratsian’ny lalam-pirenena RN 2 sy ny eto an-tampon-tanàna, sns.
Mikasika ny tetikasa Vo­lobe II, fantatra fa efa azon’ny orinasa hanao azy ny fahazoan- dalana ara-tontolo iainana, nialohan’ny faran’ny taona 2022 teo. Andrasana sisa ny fankatoavan’ny Filo­ham-pirenena.

Sajo

Partager sur: