Nanondraka rano mangotraka ny vadiny : voasazy herintaona an-tranomaizana ilay lehilahy

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana an’ilay lehilahy nikasi-tanana sady nanondraka rano mangotraka ny vadiny tetsy Ambohi­miandra, ny volana feboary teo.

Sazy mihatra herintaona an-tranomaizina. Ni­voaka omaly ny didim-pitsarana ho an’ilay lehilahy nanondraka rano mango­traka sady nikasi-tanana ny vadiny, nitaiza kely. Raha tsiahivina, may ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra na­taon’ny vadiny an’i Sendra­niaina, ny zoma 3 febroary lasa teo. Renim-pianaka­viana mipetraka ao Ambohi­miandra. Tsy an’asa ralehi­lahy vadiny. Tojo tsy faha­salamana ramatoa, kanefa mbola mitaiza kely, zaza vao herintaona. “Tsy nisy sakafo hohanina tao amin’izy ireo ka nangataka hody amin’ny ray aman-dreniny aloha i Sendra, izay mampinono”, hoy i Tsiory, anadahin’ilay lasibatra. Tsy nanaiky izany anefa rangahy vadiny ka raikitra ny ady tao an-tokan­trano. “Efa matetika tsy an’ asa io vadiny io, ka nikiry hody ihany i Sendra”, araka ny fanamafisan’ny anada­hiny. Nikasi-tanana an’ity vadiny avy hatrany ralehi­lahy. Nobatainy ny vilany nisy rano mangotraka, na­tondrany tamin’i Sendra­niaina, renin-janany. Noken­daina saika nalany aina ity farany fa navotan’ny manodidina.

Tsiferana R.

Partager sur: