Ankadindratombo : telo lahy nivarotra omby halatra voasambotra

Noraisim-potsiny ireo jiolahy telo nangalatr’omby tao Ambatomitsangana, Kao­mi­nina ambanivohitra Ambato­fahavalo, omaly.Nandositra rehefa avy nangalatra ny omby vositra tao amin’io fo­kontany io ireto jiolahy ireto. Nampandre ny mpitandro fi­laminana ny lasibatra. Nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra. Sarona tetsy Ankadindratombo niaraka tamin’ny olona nividy azy io omby halatra io. Rehefa natao ny famotorana io nividy halatra io, nitoroka ireo olona nahazoany ilay omby izy. Nanao fikarohana ny zandary. Voasambotra ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Naverina amin’ny tompony ilay omby. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ireto mpangalatra ireto.

Mpamotsy omby
Mpamotsy omby halatra telo lahy hafa koa tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Mandritsara, ny faran’ny he­rinandro teo. Omby avy nangalarina avy any Mampikony sy Port-Berger avokoa ireo anaovan’izy ireo io asa ratsiny io. Sarona tamin’ny alalan’ny fisavana ny tranon’izy ireo ny taratasy fifanarahana ara-barotra mbola tsy niasa miisa 13, fanamiana miaramila sy bala masse 36. Nitahiry kavin’omby am-polony izay mbola misy tsy niasa koa ireto mpamotsy omby telo lahy ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: