Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nahazo azy ny lefitra faharoan’ ny ben’ny Tanàn’ Ambovombe Androy, i Mananandro Jean. Afakomaly hariva, nifanehatra tamin’ireo olondratsy izy raha iny avy niasa hamonjy fodiana iny. Nandeha moto ity raim-pianakaviana ity.Voatifitra tampoka izy nony tonga teo amin’ny fokontany Ankaramena ka nienjera mafy. Voa teo amin’ ny tarehiny sy ny tratrany ity tomponandraikitry ny kaominina ity ka namoy ny ainy teo no ho eo. May ihany koa ny moto ary voatsindrin’izany ny ilam-batany. “Tsy nisy voaroba ny entana rehetra teny aminy. Mbola tsy fantatra ihany koa ny antony nahatonga ity vono olona ity saingy tsy manakana ny famotorana izany”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Notohizany fa tsy nahasakana ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny rotsakorana tamin’io fotoana io. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Henintsoa H.