Betania Morondava : taolam-paty 66 hita tao anaty valan’osy

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Morondava ireo olona efatra avy namaky fasana tao amin’ny fokontany Betania Morondava, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fi­si­an’ireto efa-dahy mitazona taolam-paty marobe ao an-tranony ireto. Nidina teny an-toerana ny zandary ka taolam-paty 66 na­fe­nina tao amina valan’osy an’ny lehilahy iray. Nosam­borina avy hatrany izy ka na­nondro ny namany telo lahy ni­araka taminy. Natao tanaty gony ireo taolam-paty marobe ireo mialoha ny nanafenana azy tao anaty valan’osy miandry ny olona mety hividy azy. Taorian’ ny fampahafantarana ny fitsarana momba ity tranga ity, nanao fampilazana ny mpiara-monina ny zandary mba hijery ny fa­san-drazany izay mety niavian’ireo taolana ireo. Tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ireo taolana ireo miandry ny toromarika avy amin’ny fitsarana.

Jean Claude

Partager sur: