Hetsika “Songadina”: hifarana, anio, ny fampahafantarana an’i Mahajanga

Tsy mitsaha-mitombo ny mpanaraka ny hetsika mampahafantatra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Miezaka hatrany ihany koa ny mpikarakara manatanteraka hetsika samihafa ho fampahafantarana ny Malagasy ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony.

Hotanterahina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola ny lanonam-pamaranana ny hetsika “Songadina” ho an’ny faritra Sofia sy ny faritanin’i Maha­janga. Ny IKM Antsahavola, miaraka amin’ny vondrona Lemasà sy ny fikambanana Gagno An-tanagna no niara-nisalahy nahatomombana ny fanatanterahana ny hetsika. Miray vina sy tanjona ireto vondrona sy fikambanana ireto ho fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy ho fanabeazana, indrindra ny tanora sy ny ankizy. Nandritra ny roa herinandro no nanatanterahana ny hetsika, izay mifarana anio. “Tratra ny tanjona napetraka amin’ny ankapobeny. Mbola misy anefa ny ezaka tokony hatao, hanatsarana ny tanjona sy vina napetraka”, hoy ny mpikarakara.
“Tontolo iray, kolontsaina iray”. Io no vina napetraky ny IKM, tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao. Hetsika natao hampahafantarana ny Malagasy ny kolontsaina re­hetra misy, ankoatra ny azy, eto Madagasikara. Hifandim­by hampahafantarina eny amin’ny IKM Antsahavola ny kolontsaina sy fomba amam-panao mampiavaka ny faritra sy faritany tsirairay avy. Ny faritanin’i Mahajanga sy ny faritra Sofia no nanombohana azy. Nisy ny fampahafantarana ny dihy, ny sakafo, taovolo mampiavaka ny faritra Sofia sy ny faritanin’i Mahajanga. Anisan’izany ny dihy malesa sy bahoejy. Nampahafantarina tao ihany koa ny momba ny taovolo Taly Sofia
Hamaranana ny hetsika amin’ity anio ity, hisy ny fampirantiana ny horonantsary fanadihadiana momba ny Bahoejy.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy. Tsapa ihany koa fa efa manomboka liana amin’ny fomba amam-panaony sy ny kolontsainy ny Malagasy. Taratra izany nandritra ireo hetsika maromaro nataon’ny mpikarakara ho fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao samihafa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: