Nihaona tamin’ny vahoakan’i Toliara ny filoha Rajoelina, ny 12 marsa teo, tao amin’ny Kianja Maître Kira, Andaboly. Nizara fanampiana ho an’ny traboina tratry ny rivodoza Freddy izy. Nohararaotin’ny mponina koa ity fotoana ity nitondrana sora-baventy, mitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara.
Nahita maso mivantana ny fitakian’ny mponina, hanokafana ny tetikasa Base Toliara, ny filoha Rajoelina, nandritra ny fihaonany tamin’izy ireo. Ankoatra ny fizarana fanampiana nomen’ny filoha, efa hatry ny ela no nandrasan’ny mponina, nanehoany mivantana ny fitarainany sy ny fitakiany.
Efa tena miha ratsy ny zava-misy any an-toerana, araka ny fijoroan’ny olona maro. Satria, tsy misy ny asa miforona any Toliara, tsy mandry ny tany, tsy misy ny sakafo, tsy ampy ny rano fisotro sy ny lemaka azo ambolena, sns. Vao mainka novesaran’ny rivodoza Freddy indray ireo rehetra ireo.
5.000 Ar isan’andro
Nilaza i Jean Claude, olobe any Toliara, fa « mangataka ny hanokafan’ny Filoha ny Base Toliara izahay satria tratry ny mosary. Afaka miasa sy misakafo izahay rehefa misokatra ity orinasa ity. Afaka miasa ao amin’ny Base ny zanakay avy any amin’ny kaominina Maromiandra, Belalanda, Ankilimalinike, Tsianisiha. Miray feo aminay ny ben’ny Tanàna amin’ireo voalaza ireo ».
Ho an-dRtoa Perline, filohan’ny fikambanam-behivavy sy Rtoa Justine, mponina any an-toerana : « angatahanay ny hanokafana ity orinasa ity satria hanome asa anay vehivavy. Tsizarizary ny fiainanay satria mosarena vokatry ny hain-tany. Mila jerena manokana ny momba anay vehivavy ».
Manamafy izany i Limboraza Pierre, mponina any Toliara : « Miangavy ny filoha Rajoelina hanome alalana ny fisokafan’ny orinasa vaventy, satria maro izy ireo no nikatona, nefa nanatsara ny fiainanay sy nanome asa. Manan-janaka izahay, saingy miaina anaty fahantrana lalina. Tsy misy afa-tsy ny fitarihana posy bisikileta no hany azoko atao. Izaho irery no mamelona ny ankohonako, toy ireo zanako roa. Vola 5.000 Ar isan’ andro no azoko, hividianana vary roa kapoaka. Tsy ho tsizarizary ny tranonay, izay nopotehin’ny rivodoza Freddy, raha mba tsara ny asanay. Mila vahaolana maharitra izahay, toy ny fanokafana ity orinasa ity ».
Mitaky koa ny mpanjono
Mitovy hevitra amin’ireo mponina koa ny mpanjono. Isan’izany i Raoelison Ralaivao, ao amin’ny fikambanana Akioviko : « Hetahetako ny hanokafana ny Base Toliara, satria be loatra ny tsy an’asa. Tsy misy ny orinasa azon’ny tanora hiasana, mahatonga ny sasany ho lasa jiolahy. Vahaolana voalohany ny Base ».
Manana fanantenana ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Akioviko. Fantatr’izy ireo tsara fa tsy misy fiantraikany ratsy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. « Misy ireo minia manely tsaho, toy ny lafiny fahasalamana, ary manohitra izany ny rahalahinay Vezo », hoy i Manirisoa E. Joseph, filohan’ny Akioviko.
Nohamafisin’i Nomenjanahary C. Espérant, izany, nilazany fa « efa nitsidika ny orinasa QMM, intelo nisesy izahay. Tsy nahita zavatra ratsy na iray aza mikasika ny fitrandrahana. Novatsian’ny QMM fitaovana ny mpanjono Vezo any Taolagnaro. Ny Base irery no hany afaka hanao toy izany anay ».
Njaka Andriantefiarinesy