Anisan’ny mampidi-bola eto Madagasikara ny fanondranam-bokatra, hatramin’ izay vokatry ny fambolena
sy jono. Taty aoriana niampy ny harena an-kibon’ny tany, vatosoa sy volamena. Amina tapitrisa dolara maro ny tambiny amin’ireo fa misy miverina eto Madagasikara, misy mijanona any ivelany. Raha ny vokatry ny fambolena, ny lavanila sy ny jirofo no voalohany, tato anatin’ny taona maro izao niampy ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy sy fasimainty trandrahin’ny QMM.
Tena ifanakalozan’i Madagasikara ny raharaham-barotra dia i Chine, Etazanonia sy Frantsa.. Tsy i Frantsa intsony izao no voalohany mpandray ny vokatra avy aty Madagasikara. Vokatra
voalohany hatramin’izay ny lavanila, saingy ny lavanila izao no nisy olana tamin’ity taona ity noho ny vidiny. Manaraka ny lamba voazaitra vitan’ny orinasa afaka haba, ary ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy sy fasimainty trandrahin’ny QMM.
Raha ny vokatry ny fambolena ihany, lavanila irery manodidina ny 24 % ; faharoa ny jirofo, 8,7 % ; manaraka ny vokatra sasany, toy ny kakao, siramamy, poavra, kafe. Marihina fa ny lavanila avy aty Madagasikara fotsiny misy 60 % eo amin’ny tsena maneran-tany. Nisy fotoana tamin’ ny 2016, 2017 tafakatra 244 % ny vidin’ny lavanila noho ny kolikoly isan-karazany. Betsaka ny zatra izany hatramin’ izao nahatonga ny minisitera misahana ny varotra niditra an-tsehatra.
Hatramin’i Madagasikara tafiditra amin’ny Agoa tamin’ ny 2014, maro ny orinasa niorina teto an-toerana. Nitombo ny vola niditra tamin’i Madagasikara noho ny Agoa. Ary tsara ny vokatry ny jono an-dranomasina, indrindra ny makamba, mahatratra 30 % misy 3700 t isan-taona. Nihena ihany izany noho ny fanaratovana tafahoatra amina faritra maro sy ny fihanaky ny valanaretina white spot.
Harena an-kibon’ny tany
Manamafy ny varotra ivelany ny harena an-kibon’ny tany. Nikela, 60 000 t isan-taona ary kobalta 5 600 t isan-taona. Mitombo ny varotra nikela amin’izao fotoana izao noho ny fahamaroan’ny fiarakodia mandeha elektrika. Mbola eo ny akora fototra sasany, toy ny fasimainty, grafita, sns. Ary nitombo ny varotra volamena, 3 t tamin’ ny 2018 (tarehimarika farany). Na eo aza ny fanavaozana ny fepetra nataon’ny Anor, mitohy ihany ny kolikoly. Tokony hohatsaraina hatrany ny vokatra eto an-toerana.
Ndrina