Ambohimiandra : maty voatifitry ny zandary i Betsy sy Solofobe

Nikononkonona fanafihana, ravan’ny zandary ka maty ny roa tamin’ireo jiolahy tao Ambohimiandra, ny alakamisy 16 marsa teo. Nikaon-doha tao anaty trano kely anatin’io tanàna io, tsikaritry ny fokonolona io fikambanan-jiolahy io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona tsara sitrapo. Nidina ifotony ny zandary. Nipa­ritaka nandositra ireo jiolahy. Vaky nitifitra ny mpitandro filaminana ireto farany ka raikitra ny sakoroka. Vokany, lavo i Betsy sy Solofobe, roa tamin’ireo jiolahy. Tafapori­tsaka ireo namany hafa ka mitohy ny fikarohana.

Tsiferana R.

Partager sur: