Mbola tsy fandriampahalemana ihany… Mandra-pahoviana? Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Efa mby amin’ny tsy zaka sy tsy azo leferina ny raharaha amin’izao: fandatsahana aina, fakana takalon’aina, fiparitahan’ny zava-mahadomelina… Tsy inona fa filalaovana sy famiravirana aina. Na ho an’ny mpanao ratsy sahy mivarotra aina fa tsy mataho-maty izany, na ho an’izay iharan-doza mety matimaty na maradratra foana tsy amin’ny antony.
Vitan’ny fiarovan-tena ve ny raharaha? Na fanamafisana hidin-trano… Tsy kely lalana ny ratsy, fa manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro sy haitao. Raha tsy izany, vitan’ny fikarohana sy fanenjehana ary famaizana ve? Misy hatrany ny olon-dratsy, fa tanàna tsy ilaozan’adala. Mila atao mafimafy kokoa, ohatra, ny fanasaziana amin’ny fandikan-dalàna sasany, fa misy hatrany ny mpamerin-keloka etsy sy eroa.
Inona no atao fa mihatra amin’ny aina ny tsy fandriampahalemana? Mihalalina, mila hahahenika ny faritra… Tsy vitan’izany, miseho amin’ny zava-tsy ampoizina. Na olon-tsy ampoizina dia mahavanon-doza… Maharary tsaroan’ny aina? Mbamin’ny kolontsaina no maty hasina, rava, potika… Tsy misy sy tsy iainana intsony izay fanajana sy fitandroana aina: tsy tahotra tsy henatra ny famonoana olona.
Ny maha olona no voahosihosy amin’izany rehetra izany, ho an’ny tra-doza na ho an’ny mpanao ratsy. Hatrany no mila fiaingana vaovao? Fanorenana ifotony eo amin’ny isam-batan’olo-miana, eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny firenena… Mitady hahazo vahana ny samy maka ho azy? Samy miaro ny tenany, samy manavotra ny aina… Na misy te hanampy ny hafa aza, tsy afa-manoatra. Na sao iharan’ny valifaty…
Ahoana ny hamerenana sy hiainana ary hanamafisana ny fifampitokisana, fifampiarovana, fifanomezan-tanana… ? Tsy vitan’ny didy aman-dalàna izany, na basy aman-defona, na tora-bato sy torapo. Tsy misy fandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana, fa tsy misy fandriampahalemana koa raha tsy misy fandrosoana. Tsy azo ihodivirana amin’izao fahantrana lalina izao ny fampandrosoana ny maha olona, raha mbola te ho vanon-ko firenena koa ny tena?
Ny olona no ampandrosoana, ary ho azy izay atao rehetra. Mby aiza? Mba misitraka inona amin’izay lazaina sy atao ny vahoaka ifotony amin’izao? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Ndeha hiandrasana voka-pifidianana ve ny valin’izay?
R. Nd.