Fihaonan’ny antoko Tim : nirefotra ny grenady lakrimozenina, nisy torana sempotra

Nisavorovoro ! Raikitra ihany ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana Marc tamin’ny vahoaka na nosembantsembanin’ny Emmo/Reg aza teny Avara­bohitra, afakomaly. Nirefotra ny lakrimozenina, nandravana ireo nisesika hiditra ny vavahadin’olon-tsotra, hanaovana ny hetsika. Tafiditra ihany ny maro tamin’izy ireo. Nisy kosa ny torana, sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso.Nambaran’ny mpanorina ny Tim, voahitsakitsaka ny Lalàmpanorenana, misy ny fampitahorana. “Misy fotoany ny zava-drehetra. Tsy rariny izao fampitahorana izao ka mila miray hina isika”, hoy izy.

Nanentana ny olona hazoto sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny tenany. Maika ny fizarana ny peta-drindrina fanentanana ny olona hisoratra anaty lisi-pifidianana, araka ny nambarany. “Zontsika ny mifidy”, hoy ihany izy. Niantso ny hametrahana fitoniana kosa ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Riana tamin’ny lahateniny. “Aleo hipetraka ny fitoniana, mialoha ny fifidianana. Aoka ho vonona amin’ny fotoana rehetra isi­ka”, hoy izy.
Hetsika tsy nahazoan-
dalana
Etsy andaniny, nanitrikitrika ny teo anivon’ny Emmo/ Reg fa tsy nahazoana alalana ny hetsika. Araka ny toromariky ny teo anivon’ny prefektiora tsy maintsy nosakanana ny hetsika na toerana an’olon-tsotra. Izay no nahatonga ny mpitandro filaminana ho niatrana vao maraina sy nanakana ny famoriam-bahoaka.

Synèse R.

Partager sur: