Feno telo taona ny 17 marsa teo ny naha governoran’ny faritra Atsinanana, an-dRafidison Richard. Nitatitra ny zava-bitany ny tenany, teo amin’ny lafiny toekarena, ny sosialy sns, ka isan’izany ny fanaovan-dalana.
Nahatratra 2 miliara Ar isan-taona ny fampiasam-bolan’ny faritra Atsinanana, notarihin’ny governora Rafidison Richard. Isan’ny goavana nampiasana azy ny fananganana fotodrafitrasa, amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Nirefy 120 km ny lalana vaovao novakiana, nampiasana ny fitaovana vaventy avy amin’ny filoham-pirenena. Nahatratra 7 km ny lalana natao godirao, raha 7,5 km natao rarivato ary 4,5 km natao betao.
Manampy ireo, saika nisy asa natao daholo ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Toy ny nananganana birao vaovaon’ny polisy any Brickaville sy Toamasina. Nahavitana sekoly manara-penitra daholo ny renivohitry ny distrika sy kaominina. Nasiam–panamboarana ny toeram-pitsaboana. Nahatratra 257.289 ny olona vita vaksiny niadiana tamin’ny Covid.
6 miliara Ar sy 7.500 dolara
Nilaza koa ny governora Rafidison Richard, fa vinavinaina hampiasa vola hatrany amin’ny 6 miliara Ar ny faritra Atsinanana amin’ity taona 2023 ity. Avy amin’ny tamberim-bidy omen’ny tetikasa Ambatovy ny 4 miliara Ar amin’io, ka miankina amin’ny fanjakana foibe ny hamoahany azy na tsia. Manampy azy ny 2 miliara Ar famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana, toy ny isan-taona.
Ankoatra izany, efa vita sonia ny famatsiam-bola 7.500 dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny fandaharanasa fampandrosoana eny ifotony (Pic) andiany fahatelo, ho an’ny faritra Atsinanana. Tafiditra ao anatin’io ny fampiroboroboana ny fizahantany, ka hanaovana godirao ny lalana avy eo amin’ny RN 2 mankany Manambato sy Ambila Lemaitso. Ho hatsaraina ny lakandranon’i Pangalana, hananganana toeram-piantsonan’ny lakana maromaro. Hatao godirao koa ny lalam-pasika eo Foulpointe mankeny amoron-dranomasina, sns.
Sajo sy Njaka A.