Amboditsiry: hatao mozea ny tranon’ny praiminisitra Rainilaiarivony

Hisalotra ny anarana « Mozea Rainilaiarivony » ny tranon’ny praiminisitra taloha, etsy Amboditsiry. Hisokatra tsy ho ela, ho azon’ny besinimaro tsidihana izany.

Vako-pirenena ny trano fonenan’ny praiminisitra Rainilairivony, etsy Amboditsiry. Efa voasokajy tanaty lisitra, nanomboka ny 4 septambra 1978 ity toerana ity. Maromaro y ny tetikasa nokasaina hatramin’izay, saingy tsy nisy tanteraka. Ny volana oktobra 2019, nanatanteraka “Tagnamaro” voalohany tao an-toerana ny minisiteran’ny Serasera sy ny ko­lontsaina. Tafiditra amin’ny asa fanavaozana hatao eny an-toerana. Efa tontosa ny taona 2020 ny asa vaventy. Mbola tsy nirosoana ny fanokafana azy noho ny valanaretina sy ny antony hafa.
Noho izay fotoana ela izay, nilana “Tagnamaro” ma­naraka ny fanadiovana sy fa­nalana ireo lobolobo manodidina, ary nohajariana ny zaridaina ny sabotsy teo. “Ha­taon­tsika ho Mozea Raini­lairi­­vony ity toerana ity, mba ho azon’ny besinimaro tsidihana. Toerana izay hahafantarana bebe kokoa hoe: iza moa ny praiminisitra Raini­lairivony? Inona ny zava-bitany fony izy praiminisitra? Nanao ahoana ny fifandraisany tamin’ireo mpanjakavavy telo nifandimby? Sns.”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondra­zafy Lalatiana, teny an-toerana. “Hanomezan-danja indray ny kolontsaina ny famelomana ny harem-bakoka tahaka izao”, hoy hatrany ny minisitra. Amin’ny maha harembakoka azy, nezahina ny namerina ny endrika anatiny sy ivelany nahafantarana ny toerana hatramin’izay. Manaja ireo fe­nitra takina na ny “codes architecturaux originaux”. Amin’ny maha mozea azy, tsy maintsy misy ireo entana sy fitaovana tranainy mifandray amin’ny tantara hisarihana ireo mpitsidika.
Ho an’ireo nahatsiaro, nisy ny antso avo nataon’ny minisitera ny taona 2020, mikasika ny tokony hamerenana ireo fanaka rehetra tao amin’ity trano faharoan’ny Praiminisitra Rainilairivony ity. Efa voaray lisitra avokoa mantsy izany, saingy nisy ireo tsy hita nanomboka ny taona 2001. Anisan’ireo haranty ao amin’ny mozea izy ireny, ankoatr’ireo tahirim-bakoka hafa mifandraika amin’ny tantaran’ny praiminisitra Raini­laiarivony.
Ankoatra ny ekipan’ny mi­­nisitera, nandray anjara ny mponina ao amin’ny fokontany Amboditsiry sy ny avy amin’ny fiadidiana ny ditri­kan’Antananarivo fahadimy.
Fantatra fa mbola hisy to­hiny ny “Tagnamaro” ao amin’ity harembakoka ity, satria midadasika ny toerana.

Zo ny Aina

Partager sur: