Hisokatra ny alahady 26 marsa izao ny taona teatraly 2023. Ao amin’ny AFT Andavamamba no hanaovana ny hetsika fanokafana, ka nisafidianana ny Sakaizan’ny Teatra malagasy Lycée Rabearivelo hanao ny hetsika. Nofantenana manokana, araka izany, ireo sanganasan-dRabearivelo, hoentina an-tsehatra amin’io fotoana io.
“Lovasoa” (Bel heritage), “Andrianiko ny teniko, ny an’ ny hafa koa feheziko” (Je vénère ma langue, celle des autres, je maîtrise». Io no lohahevitra ka hisy ny antsan-tononkalo nosoratan-dRabearivelo, horavahana hiran’ny omaly, izay tononkalon’ity mpanoratra ity ihany no nasian-dry Ramaroson Wilson sy ry Naly Rakotofiringa feony. Misy amin’ireo tononkalo ireo no nosoratan-dRabearivelo ihany koa amin’ny teny frantsay sy teny espaniola.
Tsy hadino ny “Imaintsoanala”, “Opéra” Malagasy voalohany mbola nosoratan-dRabearivelo ihany, saingy sombin-tseho ihany no holalaovina. Eo koa ny “Lamba”, tantara fisehatra fohy nosoratan-dRavaloson Mbato, saingy notakarina tamin’ny tononkalo “Lamba”, mbola asa soratran’ity andrarezin’ny literatiora ity.
Zo ny Aina