Namono vady : noleran-drangahy antsy ny kibony avy eo

Disadisa tonga hatramin’ny vono olona. Raim-pianakaviana iray namono tena rehefa avy nifamaly sy namono an-dramatoa vadiny omaly, tany Andapa.

Tranga mampalahelo. Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ilay tranga niseho tao Ambo­difamba, distrikan’Andapa. Raim-pianakaviana iray ma­nodidina ny 40 taona no na­mono tena rehefa avy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny. Nifamaly vao maraina izy mivady ireto ary matetika mihitsy izany. Nan­dritra izany, tsy nahatsindry fo ilay raim-pianakaviana ka nanindrona antsy avy hatrany an-dramatoa vadiny. Vokany, voatsatok’antsy indroa teo amin’ny tratrany ilay renim-pianakaviana. Mbola noratraina mafy ihany koa ny tanan-dravehivavy ka namoy ny ainy teo no ho eo. Minitra vitsy taorian’izay, nanindron-tena tamin’ny antsy ihany koa ilay rangahy. Notsatohany io zava-maranitra io ny kibony. Nandriaka tanteraka ny ra.
Nifamonjena
Nahoraka teny amin’ny manodidina ny tabataba sy ny kiaka tao an-tranon’izy mivady. Tamin’izay indrinda, nikoropaka ireo mpiray vodirindrina namonjy tao an-toerana. Indrisy anefa fa vata-mangatsiaka an’ilay renim-pianakaviana 39 taona no hita nitsirara tamin’ny tany. Ilay rangahy vadiny kosa naratra mafy ka nentina vonjimaika teny amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy ka namoy ny ainy ihany koa izy.
“Te hisaraka tamin’io lehilahy io ilay ramatoa vadiny ka tonga tamin’iny herisetra iny ny raharaha”, hoy ny zandary ao an-toerana. Omaly, tonga naka ny vata-mangatsiakany ny fianakavian’ilay renim-pianakaviana. Mbola tavela ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly kosa ny nofo mangatsiakan’ilay lehilahy vadiny.

Henintsoa Hani

Partager sur: