Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena (FIP) teo amin’ny lalamby Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny iray mpanao sinto-mahery. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’io fotoana io no nahitan’izy ireo vehivay iray niantso vonjeo fa nisy nisintona ny findainy. Raha ny nisy teny an-toerana, lehilahy iray monina tsy lavitra teo no tompon’antoka tamin’ity asa ratsy ity. Somary maizimaizina iny toerana iny ka nandeha moto ity tovovavy ity no sendran’ilay jiolahy teo amin’ny lalamby. Tsy maintsy nandeha mora anefa izy noho ny fisian’ny dongona fampihenana ny hafainganam-pandeha eo amin’iny lalana iny. Nosintoniny tao am-paosin’ilay tovovavy ny finday ka lasa nitsoaka izy. Nandray andraikitra avy hatrany ireo polisin’ny Fip ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa izy dia tratra. Mbola tratra teny aminy ny finday halatra nangalariny. Nandritra ny famotorana azy teny amin’ny polisin’ny CSP4 Isotry no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka izy.
Jean Claude