Efa 12 andro aty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakan’i Sefo Sedrick Nantenaina rehefa nanaovana tagnamaro ny fikarohana azy. Ny 8 marsa 2023 lasa teo izy no tra-doza rehefa niampita radier nihazo an’Ivohibe, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrikan’ Ivohibe. Nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny razana. Natao daholo ny fomba rehetra nahafahana nikaroka azy ka izao hita izao ihany izy. Hoentina any Ambalavao ny razana, mialoha ny hitondrana azy any amin’ny fasan-drazany.
J.C