Fikambanana Liandra Mahery : mihorohoro ny mponina

Mampihoron-koditra ny zava-misy ao Toamasiana. Tsy mbola nisy hatrizay ny fijoroan’ izany fikambanan-jatovo maditra na Fikambanana Liandra Mahery(FLM) izany.

Mihorohoro izaitsizy in­dray ny mponina ao Man­garivotra Toa­ma­sina nanomboka ny zoma, ny sabotsy nitohy hatramin’ny alahady teo. Olona telo no efa na­ratra mafy tao anatin’izay telo andro izay noho ny fisian’ireo andian-jatovo (ahitana vehivavy) mirongo zava-maranitra sy hazo ka midaroka sy manindrona avy hatrany ny olona mifanena aminy (fahafinaretan’izy ireo mihitsy ny manao izany, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana). Tsy mandroba na manendaka anefa ry zareo fa mandratra fotsiny ary sahy miantsoantso mihitsy hoe “mivoaha izay sahy”, araka ny fanazavan’olon-tsotra iray ni­tantara ny fanaon’ny andian-jatovo mpampihorohoro. Ny sabotsy teo no fantatra fa betsaka kokoa izy ireo ary nisy niantso zandary sy polisy saingy tsy hita tampoka ny nanjavonany nony tonga ny mpitandro filaminana. Toy ireny andian-jatovo mahery setra “Foroches” tany Antsira­nana ireny ny fanaovan’ny an­dian-jatovo ao Toamasina azy, araka ny fanazavan’ny mpitsara iray monina ao Mangarivotra, raha nanatri-maso ny fanaon’ny andian-jatovo mpampihoro­horo. Nohamafisin’ny loharanom-baovao iray fa efa namono nahafaty olona tao Toamasina ny andian-jatovo mahery fihe­tsika mitonona anarana hoe FLM (Fikambanana Liandra Mahery).

Nampitandrina ny polisy…

Nisy paikady sy lamina ma­nokana napetraky ny polisy ao Toamasina amin’ny fanaraha-maso ny andian-jatovo mahery setra. “Efa misy ny paikady manokana napetraky ny polisy amin’ny alalan’ny fametrahana ireo polisy manao fanamiana sivily manara-maso ny andiana tanora amin’ny faritra tena anaovan’izy ireo ny asa ratsy”, hoy ny fanazavan’ny Talem-paritry ny filaminana anatiny amin’ny faritra Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian. Nohamafisin’ny kaomandin’ny polisin’ny Fip Toa­masina, ny Kaomisera Rafa­liarivo Jules izany sady nampitandrina izy. Tsara ny manamarina fa tsy misy idirany amin’ny anaram-pinoana iray misy eto amin’ny firenena ny anaran’ity fikambanan-jiolahy ity.

Raim-pianakaviana iray maty voatsatoka antsy…

Ny alahady alina teo, nampiseho ny herisetra toy ny fa­naony ireo andian-jatovo. Raim-pianakaviana iray namonjy lanonam-pianakaviana, tsingerintaona nahaterahan’ny rahalahiny, tao Antanandava no naratra mafy voatsatok’antsy. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy no nifanehatra tamin’ny mpisetrasetra ka naratra mafy. Tsy nisy zavatra very na nalain’izy ireo anefa tany aminy. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa avy nanindrona antsy azy. Namoy ny ainy kosa ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: