Tankina tanteraka, tsy misy ambara, mahita ny fitotongan’ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Tsy hiteny izay vidim-piainana intsony, fa leo mitoriteny an’efitra. Andeha horesahina ny tontolon’ ny fanabeazana tanora amin’ny ankapobeny. Antony ? Tsy azo hodian-tsy hita ny firongatry ny herisetra, sy fidorohana, ary vono olona miseholany ao Toamasina.
Nipoitra tao anaty fotoana fohy ny fikambanan-jatovo maditra. Ny tena zava-doza, nivadika ho heloka bevava ny zava-bitan’izy ireny.
Taiza hatrizay no misy izany Fikambanan’ny Liandra izany ! Na biby aza angamba tsy mahasahy mamono mahafaty ny mpiara-belona aminy tsy amin’antony tahaka izao. Fahafinaretan’ny zatovo ny mahita ireo lasibany mivoa-dra, mijalijaly mandra-pahatapitra ny ainy. Fiainana tena maharikoriko tanteraka !
Zary nifindra any an-drenivohitra ekonomikan’i Madagasikara ny fomba ratsin’ny zatovo tany Antsiranana tamin’ny andron’ny « Foroches ». Ny mahasamihafa azy, tamin’izany fotoana tsy mandatsaka ain’olona tsy manantsiny izy ireo. Amin’izao fotoana izao, mihorohoro ny olon-tsotra raha sendra mody alina. Mihaza toa amboadia tsy ampy remby ireo andian-jatovo. Loza mihatra eny anivon’ny fiarahamonina ny zava-misy. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka tsimandadiharona. Mahita faisana tsy satry ny olon-tsotra izay mety ho faty tsy « lera ».
Manoloana ny zava-misy, hamafisina ny fisintonana lakolosy ho an’ny manampahefana ao Toamasina. Indrindra ny mpitandro filaminana. Efa ho herinandro vitsivitsy, nanao fanairana tamin’ny tambajotran-tserasera ny mpanao gazety tany an-toerana. Tsy nisy nihaino. Ny mifanohitra tamin’izany aza no nataon’ny tomponadraikitra sasantsasany. Nolazaina ho mpanakorontana ny mpampahalala vaovao. Hatramin’ny andro namoahany ny vaovao, anefa, roa na telo no namoy ny ainy. Navadiky ny mpitondra sasany resaka politika indray ilay izy.
Tsy tokony hasiana fomba fijery, toy izany ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny firongatry ny herisetra etsy sy eroa.
Samy tompon’andraikitra amin’ny zava-misy ao Toamasina, ankehitriny ny herivelona rehetra. Manomboka eny anivon’ny tokantrano izany. Tsy afa-miala amin’ny ditran’ny ankizy ny ray aman-dreny na inona na inona antony. Taratry ny fikomiana anatin’ny tanora ny fanaovana herisetra, sy fakana fahafinaretana anaty toe-javatra tsy manjary tahaka izao. Torak’izany ny olo-maventy ao an-tanàna, mamatsy zava-mahadomelina sy fanasana ny ati-dohan’ireo zatovo marefo, mbola anatin’ny fialana sakana. Olona mora roboka amin’ny fanangolena sy fandrebirebena.
Amin’ny tranga tahaka itony, tsy afaka ny hiala bala ny manampahefana isan’ambaratongany : mpiasam-panjakana sy mpanao politika. Matetika tafiditra anaty kajikaji-panakorontanana mialoha ny fifidianana ny tahaka izao. Toamasina rahateo, anisan’ny mafana fo amin’ny hetsika politika.
Ilaina ny fiara-mientan’ny rehetra. Eny fa hatraty amin’ny fanjakana foibe ! Tsy azo hamaivanina ny zava-miseho. Olam-piarahamonina goavana no fonosin’io fijoroana fikambanan-jatovo maditra io. Olana izay mikiky tsikelikely ny tokantrano sy ny fiarahamonina, ary hatramin’ny firenena.
Mila mailo sy fandraisana andraikitra matotra ny zava-misy ! Efa zava-doza izany lian-dra izany.
r.r